Dernier article

17:00 - 18:30 Sehatry ny Diaspora - Workshop de la Diaspora

Diaspora matanjaka eo amin’ny sehatry ny asa

Au pair ve ianao? Mamita freiwilliges Soziales Jahr (FSJ)? Sa mbola mitady zavatra hatao? Mpianatra? Azubi? Ary mikasa ny hitady hiasa na hiasa tena eto Alemana na koa efa tonga amin’izany dingana izany. Faly manasa anao hanatrika ity atrikasa "Sehatry ny Diaspora" ity izahay.

Ramatoa Elsa Rajemison sy Andriamatoa Jairus Tanjona Nouvel no hanolotra antsika ity workshop ity. Ny "Sehatry ny Diaspora" dia fotoana iray natao hifampizarana, hanomezana fanazavana, toro-marika ary toro-hevitra mikasika ny fidirana amin'ny tontolon'ny asa eto Alemana. Hizara ny traik'efany izy, ary hamaly ihany koa ireo fanontaniana sy fanampim-panazavana isankarazany. 

Ramatoa Elsa Rajemison dia miasa eo amin'ny sehatry ny fiaraha-miasa manerantany teto Eoropa sy tany Afrika nandritry ny 10 taona mahery.  Miasa ao amin'ny Infoaid Partners izy ary manana andraikitra eo amin'ny fikarohana, fitiliana ary fametrahana sy fanaraha-maso ireo tetik'asa vaovao. Mpanolotsaina ny tetik'asa tomady.com ihany koa izy. Marihina fa miteny malagasy, frantsay, anglisy ary alemana izy.

Toerana:  Gemeindehaus EFG, Sievekingsallee 77, 20535 Hamburg, Germany

Ora: 17:00 - 18:30

Daty: 29 jona 2019


Maimaimpoana ny fanatrehana io atrikasa io fa mila misoratra anarana.

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire