Dernier article

29 jona 2019, Fankalazana ny Fetim-pirenena eto Hamburg

Ry malagasy namana, anabavy, rahalahy, reny, ray !

Hatry ny nahazoantsika fahaleovantena tamin'ny faha-26 jona 1960 dia mankalaza izany isika isantaona, na aiza na aiza ny toerana misy antsika. Zava-dehibe amintsika io satria dia afaka nisitraka ny maha-malagasy feno antsika isika: firenena iray, izay manana ny maha-izy azy, manana ny tantarany, ny tenin-drazany, ny kolotsainy sy ny mponina ao aminy.

Tsy ambanin-javatra ny teto Alemana satria dia nisy foana ny fankalazana isankarazany. Samy nanao fihaonana mba hankalazana izany andro lehibe izany, hanamafisana indray ilay firaisankina ary hanondrotana ilay maha-malagasy. Samy nifanantona mba hifampizara ny teny, ny mamy sy ny masaka miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana. Zava-dehibe izany amin'ny maha-olona.

Nisy fety matetika ny tao Berlin izay mpampiantrano ny masoivohontsika. Fa tsy hadino koa anefa fa miparitaka be isika malagasy eto Alemana. Nisy noho izany ny fety tany amin'ny tany sy toerana izay misy ny tsirairay avy any, avy any atsimo ka hatrany avaratra. Tsy latsa-danja tamin'izany ny teto Hamburg.

Ity taona 2019 ity dia nifampitaona ny ray amandreny sy ny zanaka eto Hamburg mba hanao fety miavaka. Miavaka satria dia hanasana ireo avy amin'ny lafivalon'ny Alemana, na manana andraikitra ara-panjakana malagasy na olon-tsotra. Miavaka satria dia nanomana fandaharampotoana maromaro izahay mba hahitan'ny rehetra ny tandrify azy avy. Raha bangoina dia hisy ny fitsidihana an'ny Hamburg ho an'ireo vahiny, hisy lalao isankarazany ho an'ankizy sy olon-dehibe, dia ho faranana amin'ny korana miendrika alim-pandihizana. Mazava ho azy, hisy fialana hetaheta sy sakafo malagasy isankarazany mba hiaraha-mizara.


Ity ny savaranon'ando ahafahantsika rehetra mijery sahady ny programantsika fa mbola halefanay eto ny mpitsompitsony rehetra. Afaka andro vitsivitsy dia efa hivoaka eto ny fisoratana anarana mba ahafahana manomana zavatra tsara sy sahaza izay ho avy rehetra.

Toerana: Gemeinschaftshaus EFG | Sievekingsallee 77 | 20535 Hamburg | Alemana

Programa:
11:00 - 14:00 Fitsidihana ny tananan'ny Hamburg (Fizahantany)

14:00 - 18:00 Lalao sy fanatanjahantena isankarazany natao ho an'ny rehetra, ankizy sy ny lehibe.

19:00 - 03:00 Sakafo malagasy sy alimpandihizana iarahana amin'ny mpanafana lanonana na koa hoe DJ.

Efa tsy andrinay ny handray sy hiarahaba anareo eto Hamburg.

Ny Mpikarakara
Tiana
Christine
Hery
Prospérin

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire