Dernier article

Fandaharam-potoana - Fankalazana ny Fetim-pirenena ao Hamburg

Ry malagasy namana, anabavy, rahalahy, reny, ray !

Miarahaba antsika rehetra indray !

Nahavelombolo anay mpikarakara ny nahita antsika rehetra rototra, liana sy tia ho tonga amin'ny Fetim-pirenena izay karakaraina aty Hamburg ny faha-29 jona ho avy izao. 

Misy ireo izay nanontany avy hatrany ny toerana hanaovana ny fihaonana sy korana mba ahafahany mamandrika trano fatoriana dieny izao. Ito ilay toerana izy.

Toerana: Gemeindehaus EFG | Sievekingsallee 77 | 20535 Hamburg | Allemagne



Ho fanampiny dia mahafaly anay ny mizara aminareo ny ho endriky ny fandaharam-potoanantsika amin'io andro io :



11:00 - 14:00 Fitsidihana ny tananan'ny Hamburg (Fizahantany)
Homena anareo manaraka eto ny toerana hihaonana sy ireo zavatra afaka ho jerene. Tsy misy fidim-pidirana izy io fa samy mitondra rano na zava-pisotro sy mivatsy izay ody vavony na sakafo sahaza azy avy.

14:00 - 17:00 Lalao sy fanatanjahantena ankalamanjana
Hisy lalao sy fanatanjahantena isankarazany izay ahafahan'ny rehetra, ny ankizy sy ny lehibe, mandray anjara.

Mba hahafahan'ny mpikarakara mameno ny lany dia misy fandraisana anjara 6€ isan'olona ho an'izay rehetra misoratra anarana amin'io. Mahazo zava-pisotro iray izay safidiany sy sakafo maivana ny tsirairay avy.

* Ny ankizy latsaky ny 6 taona dia tsy mandoa.

17:00 - 18:30 Workshop
Fanazavana sy fiofanana miendrika fizarana mahakasika ny Aupair, FSJ, fiofanana arak'asa sy fianarana ambony ary ny fomba fitadiavana asa eto Hamburg izay ho entanin'ny Ramatoa Elsa Rajemison.

19:00 - 03:00 Sakafo malagasy sy alimpandihizana 
Ho atomboka amin'ny fisakafoanana miaraka ary ho tohizana amin'ny alimpandihizana izay hoafanain'ny mpanafana lanonana, na DJ, avy any Belgique ny fety.

Sakafo 19:00 - 21:00
Kompozea, nems sy sambos no ho sakafo fidirana
Vary, ravitoto, hena sy voanio | Vary, petipoa sy akoho | lasary gasy sy lasary voatabia
Mofo mamy no hatao tsindrin-tsakafo

* Mandritry ny sakafo dia mahazo mihira izay manantalenta. Mila misoratra anarana mialoha fotsiny.

Fanombohan'ny lanonana | Afindrafindrao 22:00
Misy vidim-pidirana 22€ isan'olona izay efa ahazoana sakafo sy zava-pisotro iray maimaimpoana.

* Ireo izay mandoa ity 22€ ity dia tsy mila mandoa intsony rehefa manatrika ilay lalao sy fanatanjahantena ankalamanjana

Voafetra ho 100 ihany ny toerana amin'ilay sakafo malagasy sy alimpandihizana ka raha misotra anarana mialoha. Ny toerana 20 hafa dia natokana ho an'ireo olo manankaja nasaina manokana.

Efa azo atao ny misoratra anarana dieny izao.

Fividianana tapakila : https://fetimpirenena2019.eventbrite.fr

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manoratra na miantso.

Ny Mpikarakara
Tiana
Christine
Hery
Prospérin

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire