Dernier article

Teny fisaorana - Fetim-pirenena malagasy Hambourg

Miarahaba antsika tapaka sy namana, 

Fisaorana mitafotafo no atolotray mpiakarakara anareo rehetra tamin'ny fandraisanareo anjara am-po sy am-pifaliana ka nahatontosa sy nahatsara iny Fetim-pirenena 2019 natao teto Hambourg iny. Henin-kaja, henim-boninahitra izahay nanana anareo. Ny fahatongavanareo dia nanome endrika sy nampisy maminy bebe kokoa ny fiarahana. 


Misaotra ny masoivohon'ny Madagasikara eto Alemaina, izay nandefa solontena maromaro nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonanana. Fisaorana mitafotafo no atolotray ny tompon'andraikitra rehetra eo anivon'ny Masoivoho malagasy ao Falkensee, Berlin.

Tiana ihany koa ny hisaotra manokana an'Andriamatoa Eckhard Koll, consul général honoraire de Madagascar teto Hambourg noho ny fanampiany amin'ny anarany manokana. Misaotra ihany koa ny tompon'andraikitra ao amin'ny Gemeindehaus EFG ao Ham tamin'ny fampiantranoana.

Eto dia mankasitraka sy misaotra ihany koa ny nanao ny sakafo. Sarotra ny hanaovana asaramanitra tsy misy ahandro malagasy izany. Indrindra fa aty an-tany lavitra. Misaotra anareo nahandro sy nanampy rehetra fa dia natsiro tokoa ny ravitoto sy voanio, ny akoho sy ireo hafa rehetra nokarakarainareo.

Tsy hadino ihany koa i DJ Rinaud sy i DJ Zo izay nidodododo avy any Belgique mba hanampy sy hanafana ny lanonanana. Afa-po ny rehetra. Ny fahataperan'ny fotoana no nampalahelo.

Mbola mamerina ny fisaorana anareo tapaka, namana sy havana rehetra, tamin'ny fanatrehana, fanampiana, fanohanana, fanoroana hevitra sy famporisihana hanao iny fety nahafinaritra iny.

Mino sy manantena ny hahita anareo haingana indray !

Mamerina ny fisaorana ho an'ny rehetra.

Mandram-pihaona tompoko.

Ny mpikarakara
Tiana T.
Christine A.
Hery A.
Prospérin T.

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire