Dernier article

26 jona 2021| Ireo hetsika eto Alemana

26 jona 1960 - 26 jona 2021, ho feno 61 taona izao sabotsy ho avy izao ny niverenan'ny fahaleovan-tenan'ny Madagasikara rehefa avy voazanaky ny frantsay nandritry ny 65 taona. raha tsiahivina dia maro ireo hetsika tambony latabatra sy miaro herisetra mba hialana amin'izany fangejana izany no nahazo ny malagasy mpangataka fahaleovantena hatry ny taona 1947. Taty amin'ny faha-2 aprily 1960 vao vita sonia ny fifanarahana teo amin'ny la Frantsa et i Madagasikara, nosoloin'ny praiminisitra frantsay Michel Debré sy ny praiminisitra malagasy Philibert Tsiranana. Ny 26 jona 1960, fetim-pirenena moa no natao ny fanambarana ampahibemaso.

26 juin 2021, fête nationale de Madagascar

Zava-dehibe amintsika malagasy io fetin'ny fahaleovan-tena io ary isan'y andro iray ihaonan'ny malagasy mitady ravinahitra any amin'ny toerana izay misy azy any matetika. Betsaka ny hetsika ary mety miseho amin'ny endriny samihafa (korana, fihaonana, valan-dresaka, fanatanjaha-tena, sy ny sisa) isaky ny firenana. Tsy mivoana amin'ireo koa ny mpila ravinahitra aty Alemana. Matetika dia misy ny hetsika, karakarain'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Alemana, rantsa mangaikan'ny Firenena malagasy ao andrenivohitry Alemana. Fa misy koa ny hetsika isan-karazany any amin'ny misy ny tsirairay any. Natao ity laha-tsoratra ity mba hampahafantarana ireo hetsika isan-karazany ireo.

1. Hetsika karakarain'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Berlin

Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Falkensee dia faly mampandre antsika Malagasy ampielezana amin’ny fari-piadidiany rehetra (Allemagne, Autriche, Danemark, Estonie, Hongrie, Islande, Lituanie, Pologne, République Tchèque, Slovaquie) ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena 26 jona 2021 izay hatao “en ligne” (Zoom) ny 26 Jona 2021 amin’ny 16:00 ora ka hatramin’ny 17:30 ora hariva.

Afaka mandefa soso-kevitra ny amin'izay (mety) hatao ao anatin'ny fandaharam-potoana koa isika Fikambanana na olon-tsotra (ohatra fandraisam-pitenenana, fanehoana talenta, fizaràna traikefa sy fahalalàna momban’ny Tanindrazana sns...).

Ny Masoivoho no hanapaka farany ny fandaharam-potoana.

Hampitaina amintsika amin'ny manaraka araka izany ny programa raikitra sy ny pitsopitsony ara-teknika.

Mirary soa sy fahasalamana ho antsika rehetra hatrany.

Ramatoa Florence Isabelle RAFARAMALALA ép. RATSIMBA
Chargé d'affaires a.i
Embassy of Madagascar
Seepromenade 92 - 14 612 Falkensee

2. Hetsika ao Hamburg

26 jona eny ambony rano Hamburg 🛶

Zavatra hatao : Miara mitaingina Kanu na Stand up Padle na Paddelboot eny amin'ny Alster (ho an'izay tsy mahay milomano)

Toerana : Deelbögenkamp 2-3 22297 Hamburg

Daty : 26 jona 2021 amin'ny 15:30 ora 

Manomana 10 - 15 € eo isan'olona hanofana lakana (2 ora)

Fitaovana : omany ny maillot de bain 

Tohiny : amin'ny 18:00 mitohy fiarahana misakafo sy Reeperbahn ho an'izay mbola afaka

Mpikarakara : Hasina Samoelinanja

3. Hetsika ao Freiburg

Aza adino ny mitondra ny iray ireto zavatra vitsivitsy ireto :

🌟Negatif Corona test

🌟Porofo fa "Genesen" ianao

🌟Porofo fa vita vakisiny

🍗Samia mitondra ny zava-pisotro sy ny sakafo sahaza. Aza adino ny mitondra ho an'ny namana

Toerana : Seepark Freiburg

Daty : 26 jona 2021 amin'ny 14:00 ora 

🤩 Gute laune à gogo ! Am-pitiavana be !

Mpikarakara : Jairus Nouvel

4. Fivoahana mankany amin'ny Ostsee avy ao Hamburg

Mpiakarakara : Tsilavina R. alias Nixon Verbo

5. Hetsika ao Berlin

Fiaraha-mifety nohon'ny fetin'ny fahaleova-tena. Hiara-hikorana sy hifampizara izay nentina. Hisy tono hena sy hirahira.

Fotoana : Asabotsy 26 jona2021 manomboka amin'ny 14:00 ora tolak'andro

Toerana : Görlitzer Park - 10997 Berlin 

Bus : 165 - 265 Haltestelle Taborstraße/ S-Bahn: Treptower Park avy eo mandeha tongotra Görlitzer Ufer/ U-Bahn: Schlesischer Tor avy eo mandeha tongotra fidirana cuvrystraße/ Raha avy any amin'ny wienerstraße Ratiborstraße miditra

Samia mitondra izay mahafalifaly ny sainy (hena, Salade, Voan-kazo, Rano....,) 

Manantena ny fahatongavantsika rehetra.

Mpikarakara : MSD e. V. - Kontakt : Andriamilaitso Andriamarozara

6. Tournoi de l'indépendance ao Tübingen

Foot à 7

Toerana : Waldhäuser Straße 148, 72076 Tübingen

Daty : 26 jona 2021 amin'ny 10:00 ora 

Aza misalasala mifandray amin'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny raha mila fanazavana fanampiny.

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra sahady !

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire