#AlefaBarea !!!
Vao sambantsika malagasy tokoa no nandray anjara amin'ny CAN (Coupe d'Afrique des Nations de football) hatry ny nisian'io. Tsy vitan'ny hoe tafiditra tao anatin'ireo ekipa 24 isay hifanandrina ny ekipampirenena malagasy fa lasa voalohany tao amin'ny vondrona misy azy, ary dia isan'ireo roa tafiakatra tao anaty vondrona mba hanao ny lalao fahavalondalana. Ny ekipan'ny RDC (République démocratique de Congo) no hifanandrina amintsika amin'io.
Amin'ny alahady izao, faha-7 ny volana jolay no hatao any Alexandrie any Ejipta ny lalao. Hisy malagasy maromaro izay tarihin'ny filoha Andry Rajoelina moa hankany hankahery sy hanotrona ny ekipampirenena malagasy. Ho antsika eto Hambourg sy ny manodidina kosa dia hisy fiaraha-mijery lalao hatao ao amin'ny KLICK Café & Bar, ao St Pauli.
Toerana : KLICK Café & Bar - Glashüttenstr. 116, D-20357 Hambourg
Daty : 7 jolay 2019
Ora : Amin'ny 6 ora hariva
Daty : 7 jolay 2019
Ora : Amin'ny 6 ora hariva
Tongava hifampizara izany fotoana lehibe izany. Tsy misy vidimpidirana.
#MiaraMirona #AlefaBarea
0 commentaires:
Enregistrer un commentaire