Dernier article

Rivo Mahefa Ramarolahy, zoky modely ela nihetezana teto Alemaina

Rivo Mahefa Ramarolahy
Izay olona mifanerasera amin'ny Alemaina, na ny mipetraka, na ny mandalo, dia saika mahafantatra an'Andriamatoa Rivo Mahefa Ramarolahy. Olon'ny fifandraisana izy, ary tsy vao androany fa efa hatry ny elabe. Nanampy sy nanamora ny fandalovan'ireo olomanankaja malagasy rehetra nandalo teto Alemaina efa hatry ny taona 90 tany, na ny politisiana io (filoha, praiminisitra, minisitra, sy ny sisa), na ireo miasa eo amin'ny sehatry ny toe-karena sy fandraharahana (filohan'ny SIM, CCI, GEM sy ny sisa).

Misaotra andRamatoa Rosanne La Princesse Weil amin'ity "portrait" faharoa izay ho zaraintsika ity.

Isan'ireo Malagasy izay efa nonina elabe taty Alemaina Andriamatoa Rivo Mahefa Ramarolahy. Vatsim-pianarana hanohy sy hanovo fianarana ambony mikasika ny sampam-pianarana „Informatik“ any Dresden any amin'ny ilany atsinanan'ny Alemaina no nitondra azy nankaty tamin’ny taona 1989.



Sarotra ny niatrehana ny fianarana tamin'ny voalohany araky ny fitantarany satria vao sambany no nikasika solosaina no sady koa amin'ny tenim-pirenen’ny hafa sy tsy mahazatra no nanaovana azy. Ny fomba fampianarana eto Alemaina rahateo koa dia hafa tsy mitovy amin’ny fomba fampianarana nahazatra azy tany Madagasikara. Fa rehefa mikiry sy mametraka tanjona mazava dia azo atao ny mandroso.  


„Tamin’izany koa dia tsy mbola betsaka ny teratany vahiny nianatra io taranja io teto Alemaina. 300 izahay no iray taom-pianarana ary 16 izahay no avy amin‘ny firenena hafa ivelan'ny Alemaina. Izaho irery no Malagasy.“ 

Rehefa nahazo ny mari-pahaizana na ny antsoin'ny Alemaina hoe Dipl. in Informatik (izany hoe 5 taona ao aorian'ny Baccalauréat, mitovy lenta amin‘ny Master ankehitriny) izy dia nody tany Madagasikara ho fanajana ny fifanarana tamin'ny fanjakana Malagasy mikasika ny fanomezana vatsim-pianarana. Tsy nisy tolotr'asa nifanentana tamin'ny zavatra nianarany anefa ary tsy nanana toerana hatolotra azy ihany koa ny fanjakana Malagasy ka dia nanapakevitra ny hiverina hanohy fianarana aty Alemaina indray izy tamin’ny 1996. Tsy nisy vatsim-pianarana intsony fa tsy maintsy nianto-tena, sady niasa ny andro no nianatra ny hariva mba ahafahana miroso. Nody ventiny ny rano nantsakaina satria dia nahazo ny marim-pahaizana Wirtschaftingenieur izy ny taona 1999.

Atoa Rivo Mahefa Ramarolahy, nitondra sy nanao mpandika tenin'Atoa Charles Andriantsitohaina (1922-2018),
Filohan'ny SIM, nihaona tamin'ny manampahefana Alemaina tamin'ny taona 1995 

Azo sokajiana ho mpitarika sy olona tia mandray andraikitra Andriamatoa Rivo Mahefa Ramarolahy. Tafapaka sy mipetraka ao aminy ny fomban'ny Alemaina. Mijoro sy mitolo-tena hanampy izy na iza na iza ny olomanankaja malagasy nandalo teto, n'inona n'inona ny firehana politika nisy azy. Mendrika ny hatao modely ho an'ny tanora marobe izany fihetsika fitiavana manampy ny hafa sy fitiavan-tanindrazana izany. Ity sary azo avy any amin'olona mahafantatra akaiky azy ity izao mampiseho azy nitondra, nikarakara ny fihaonana isan-karazany ary nanao mpandika tenin'Andriamatoa Charles Adriantsitohaina (1922-2018) tamin'ny fandalovany taty Alemaina tamin'ny taona 1995, fony izy mbola filohan'ny SIM (Syndicat des industries de Madagascar).



Olon'ny serasera ihany koa Andriamatoa Rivo Mahefa Ramarolahy. Tsy misalasala ny manoro hevitra sy manampy ary dia manome ny fotoanany. Eny fa na eo amin'ny lafiny fitadiavana vahaolana ho an'ny Firenena aza. Maromaro no karazana tetik'asa fampandrosoana natolotry ny tanora avy aty Alemaina ho an'ny firenena malagasy. Nandray anjara sy namporisika hatrany i Rivo Mahefa na dia somary kivy ny rehetra rehefa tsy nandroso ny asa.



Nandritran'izay fotoana ela nonenany taty ivelany izay dia tsy hadinon’i Rivo Mahefa i Madagasikara. Maro ireo asa sosialy nandraisany anjara toy ny fitondrana Dokotera mpandidy vahiny handidy maimaimpoana ireo malagasy mpiray tanindrazana. 

Na dia miasa sy monina eto Alemaina aza izy, dia hita taratra ilay fomba fijery hafa. Rehefa nanadihady sy niresaka tamin'ireo manodidina sy mahafantatra azy izahay dia mino fa noho izy niasa elabe tamin'ny orinasa amerikana no nahatonga izany. Nitazona toerana ambony tao amin'ny eBay, PayPal sy Zalando izy. Fanahy iniana nataony no nidirana tamin’ny orinasa sangany eo amin‘ny sehatra iasany hoy i Rivo Mahefa, satria sady mampitombo ny traikefa anananao no ahitana zava-baovao sy fianarana hafa maro ho entina manatsara ny traikefa.
Izao moa izy dia mitana ny andraikitra „Strategy analyst“ ao amin‘ny Birao foiben'ny SumUp ao Berlin. 

Raha hafohezina dia tanora malagasy, raim-pianakaviana, manan-janaka roa, namana sy mpiray tanindrazana ary manana andraikitra ambony ao amin’ny orinasa malaza ao Berlin i Andriamatoa Rivo Mahefa Ramarolahy.

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire