Dernier article

Jörg Penzkofer Kopittke : tsara sitrapo manampy ireo Malagasy tsy manan-kialofana

Hanangana akany hoan’ireo zaza amam-behivavy mirenireny eny an-dalambe i Jörg Penzkofer Kopittke.
malagasy tsy manankialofana
Jörg Penzkofer Kopittke dia teratany Alema monina ao Berlin ary mampianatra ao amin’ny Klecks-Grundschule, Pankow Berlin. Tamin’ny taona 2018 izy no nitsidika an’i Madagasikara voalohany ary fizahan-tany ihany no antony nitsidihany an’i Madagasikara tamin’izany. Sendra tratra alina anefa izy indray andro ka nandalo teo amin’ny tonelina Ambohidahy ary nahita ireo olona matory ao ambany tonelina amin’ny andro alina. Ontsa tanteraka ny fony nahita ireto farany izay tsy mba manana trano hialofana akory. Teo no nitsiry ny faniriany hanampy ny Malagasy ka niverina tany Madagasikara izy ny volana Novambra 2019 hatramin’ny Febroary 2020 mba hanao asa sosialy. Trano famakiam-boky iray hoan’ny sekoly fanabeazana fototra tao Ambatomena Manjakandriana no nataony tamin’izany. Ary nitondra fitaovampianarana vitsivitsy sy kilalao avy aty Alema izy tamin’izany hoan’ireo mpianatra ireo. Satria moa mbola tsy misy jiro io sekoly tao Ambatomena io dia novatsiany herin’aratra avy amin’ny masoandro ihany koa ka mitentina teo amin’ny 20 000 000 Ariary teo ny laniny tamin’ny fanatanterahana izany rehetra izany. Eto izy dia mamerina ny fankasitrahana ireo izay niara-niasa rehetra taminy tamin’ny fanatontosana izany indrindra ireo Ray amandRenin’ny mpianatra, mpianatra ary mpampianatra ao amin’ny Klecks-Grundschule, Pankow Berlin. Isaorany manokana ihany koa ny fikambanana “Claire de Lune Madagascar” izay niara niasa akaiky taminy tamin’ny fananganana sy famantsiana io trano famakiamboky io.
Mbola maniry ny hiverina any Madagasikara anefa izy ankehitriny mba hanorina akany hoan’ireo zaza amam-behivavy tsy manan-kialofana. Araka ny vinavinany dia mitentina eo amin’ny 100 000 000 Ariary eo no vola entina hananganana io akany io. Amin’izao fotoana izao ary dia eto Alema tokoa i Jörg Penzkofer Kopittke ary eo ampanangonana ny vola entina hanatanteraka io foto-drafitr’asa io. Ary raha vantany vao feno io vola io dia hitodi-doha hoany Madagasikara indray izy hanangana ilay akany. Hoy izy anefa: “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.” Manao antso avo amin’ireo mahalala tanana ary izy ankehitriny mba hanampy azy amin’io asa sosialy. Tsy voatery fanampiana ara-bola ihany anefa fa raisiny an-tanan-droa avokoa izay rehetra foin-tsika entina hananganana io akany io. Raha maniry ny hanampy azy isika, dia afaka mandrotsaka izay foy amin’ny kaonty banky manaraka eto:

IBAN: DE27700100800852296802

BIC: PBNKDEFF

Eto am-pamaranana dia mamerina ny fisaorana izy hoan’ireo izay efa nandrotsaka ny anjarany. Tolorana fisaorana manokana entoana i: Marion, Karin, Ulrike, Gabi, Madeleine, Carmen, Kerstin, Felana, Janett ary Nadin. Isaorana sahady koa ireo izay mbola hanolotra amin-kafaliana.
malagasy tsy manankialofana
Koa raha maniry ny hitafatafa aminy ary ianao, dia afaka miresaka aminy amin’ny alalan’ny tamba-jotran-tserasera fesiboky: Jörg Penzkofer Kopittke (amin’ny teny Alema) na Ida Kely (amin’ny teny Malagasy na Alema).

A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire