Dernier article

Ny Hazo avo lalim-paka

Hasina Samoelinanja, 
Petit Prince Reisen & GrüneKiste Madagaskar

Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko » 

Kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy ny Kabary. Fa mbola miavaka i Samoelinanja Hasina. Mpikabary am-panambadiana amin’ny Teny Malagasy sy amin’ny teny Alema ny lehilahy. 

Ankoatra izay dia mbola maro ireo andraikitra sahanin’i Hasina.

Ny taona 2006 izy dia nahazo ny marim-pahaizana „Magister in Germanistik“ teny Ambohitsaina, fikarohana izay notohanan’ny DAAD ka nahazoany  vatsim-pianarana tao @ Universität Bielefeld. 

Nahazo ny „Master of Tourism Management“ tao amin’ny Freie Universität Berlin ihany ko izy ny 2008.

Mahatsiaro tena ho toy ny tetezana mampifandray an’i Madagasikara sy Allemagne izy amin’ireo hetsika maro ataony ka nahazoany marim-pahaizana sy marim-pankasitrahana maro dia maro izany.

www.petit-prince.reisen 

www.madagruenekiste.org  

Mpitaridia (Guide Touristique) izy taloha ary nanangana ny orinasa malagasy mpandefa mpizahatany voalohany eto Allemagne ny taona 2019: Petit Prince Reisen.

Fa ny anisan‘ny goavana amin‘ny asa sosialy ataony ho an’i Madagaskara dia ny nananganany tamin‘ny taona 2017 ny „Freunde von Madagaskars Grüne Kiste“. Izay tetikasa mifidy sy manohana tanora malagasy vonona handray antanana sy hanangana ny hoaviny.

« Ny Hazo avo lalim-paka » Hoy i Hasina Samoelinanja


A propos de Prospérin Tsialonina

Prospérin Tsialonina
Articles connexes × +

0 commentaires:

Enregistrer un commentaire